<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>274</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Tao an-tany karakaina
 Nisy olo-maro be,
 Tsy mba nampodina maina,
 Tao Jesosy nanome.

[V2]
 Na dia mofo kely aza
 Tonga nahavoky ireo,
 Fa nitombo mahagaga,
 Samy faly izy ireo.

[V3]
 Fa ny herinao, ry Jeso,
 Izay namonjy fahizay
 No miasa lalandava
 Hahavoky soa anay.

[V4]
 Dia tahio ny fambolena
 Hahavokatra tokoa ;
 Miantrà ny firenena
 Tsy ho diso zava-tsoa.

[V5]
 Na dia voky fatratra aza,
 Mora reraka izahay ;
 Ao ambony ny mateza
 Iankinan'ny ainay.</lyrics>
<title>Tao an-tany karankaina FFPM274</title>
</song>